mardi 20 décembre 2011

Salamo 59:9b-10a; Titosy1: 15-16; Hebreo 12:3

  • Maraina
"Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy. Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy." Salamo 59:9b-10a

  • Antoandro
"Madio avokoa ny zavatra rehetra raha amin'ny olona madio; fa raha amin'ny olona voaloto sady tsy mino kosa dia tsy misy madio na inona na inona; fa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany. Manaiky fa mahalala an'Andriamanitra izy, nefa mandà Azy amin'ny asany, dia olona vetaveta sady tsy manaraka ary olona tsy izy, izay tsy manao asa tsara na inona na inona." Titosy1: 15-16

  • Alina
"Hevero tsara ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka hianareo, ka ho reraka ny fanahinareo." Hebreo 12:3