mercredi 21 décembre 2011

Salamo 51:9-11; Deotoronomia 28: 1-2; Matio 1:21

  • Maraina
"Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko". Salamo 51:9-11

  • Antoandro
"Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao. Ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao." Deotoronomia 28: 1-2

  • Alina
"Ary ny anarany hataonao hoe JESOSY; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotana." Matio 1:21