lundi 19 décembre 2011

Matio 6:25-26; Apokalypsy 3: 10-11; Salamo 73:26


  • Maraina
"Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?" Matio 6:25-26

  • Antoandro
"Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana ianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany. Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao." Apokalypsy 3: 10-11

  • Alina
"Fa na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, Dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra." Salamo 73:26