mercredi 14 décembre 2011

Matio 18:20 ; Jakoba 4:4 ; Salamo 119:105

  • Maraina
"Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho". Matio 18:20

  • Antoandro
"Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy." Jakoba 4:4

  • Alina
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavàna ny lalako ny teninao." Salamo 119:105