samedi 17 décembre 2011

Genesisy 50:17; Salamo 24:4-5; Kolosiana 3:1-2

  • Maraina
"Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao." Genesisy 50:17

  • Antoandro
"Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy." Salamo 24:4-5

  • Alina
"Koa raha niara-nitsangana tamin'i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany." Kolosiana 3:1-2