samedi 24 décembre 2011

Galatiana 6:9-10; Salamo 11: 6-7; Lioka 1:68

  • Maraina
"Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana". Galatiana 6:9-10

  • Antoandro
"Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany." Salamo 11: 6-7

  • Alina
"Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy." Lioka 1:68