mercredi 9 novembre 2011

Ohabolana 15:1, 4, 13, 18; Matio 19:14; Ohabolana 23:21b


  • Maraina
"Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. Ny teny malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy. Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy. Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana." Ohabolana 15:1, 4, 13, 18

  • Antoandro
"Nefa Jesosy kosa nanao hoe: Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra." Matio 19:14

  • Alina
"Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba." Ohabolana 23:21b