- Maraina
"Sambatra
ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan'ny lanitra. Sambatra ny malemy
fanahy; fa izy no handova ny tany (Sal. 37. 11). Sambatra ny noana sy
mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Sambatra ny madio am-po; fa
izy no hahita an'Andriamanitra, Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe
zanak'Andriamanitra. Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny
fanjakan'ny lanitra." Matio 5:3, 5-6, 8-10
- Antoandro
"Ary
araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa. Fa
raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? Fa
na dia ny mpanota ko a aza mba tia izay tia azy." Lioka 6:31-32
- Alina
"Raha
velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy
fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà,
mialà amin'ny làlan-dratsinareo, fa nahoana moa no te ho faty
hianareo,..." Ezekiela 33:11