- Maraina
"Aza
mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no
hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Ry
mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao
ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny
rahalahinao." Matio 7:1-2, 5
- Antoandro
"Jehovah
mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony." Salamo
147:11
- Alina
"Aoka
isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy,
na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na ny fijejojejoana, tsy
amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana." Romana 13:13