- Maraina
"Ary
hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita
ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. Fa iza moa aminareo
izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha
angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? ary raha
angatahany atody, no hanome azy maingoka?" Lioka 11:9-12
- Antoandro
"Koa
na zovy an zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin'ny kapoaky ny Tompo amin'ny
fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny tena sy ny ran'ny Tompo
izy." 1Korintiana 11: 27
- Alina
"Ho
voaozona anie izay manao tsirambina foana ny asa asan'i Jehovah atao! Eny, ho
voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!." Jeremia 48:10