samedi 5 novembre 2011

Marka 8:34-35; Salamo 27:14; I Korintiana 12:31


  • Maraina
"Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany." Marka 8:34-35

  • Antoandro
"Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah." Salamo 27:14

  • Alina
"Nefa maniria fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra; ary, indro, izay lalàna tsara indrindra no atoroko anareo." I Korintiana 12:31