- Maraina
"Ary
Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay
naniraka Ahy. Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. Izaho
tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina
izay rehetra mino Ahy. Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho
tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao
tontolo izao." Jaona 12:44-47
- Antoandro
"Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy
antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro
hahitan-doza." Ohabolana 16:4.
- Alina
"Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana
tsara sy marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana
mahatahotra amin'ny fitsarana ary ny fahatezerana mirehitra izay handany ny
fahavalo rehetra kosa." Hebreo 10:26-27