mercredi 30 novembre 2011

Lioka 12:5; 1 Petera 2:20-21; Hebreo 13:5


  • Maraina
"Matahora izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy". Lioka 12:5

  • Antoandro
"Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra. Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany".1 Petera 2:20-21

  • Alina
"Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory." Hebreo 13:5