samedi 19 novembre 2011

Jaona 14:1-4; Ohabolana 22:4; Ohabolana 13:11 DIEM


  • Maraina
"Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako. " Jaona 14:1-4

  • Antoandro
"Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana." Ohabolana 22:4

  • Alina
"Ny harena azo am-pahamaikana dia mihena an-toerana; fa izay manangona izany tsikelikely no mampitombo azy." Ohabolana 13:11 DIEM