vendredi 18 novembre 2011

Jaona 11:25-26; 1Timoty 4: 8; Lioka 21:36 DIEM


  • Maraina
"Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?" Jaona 11:25-26

  • Antoandro
"Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa." 1Timoty 4: 8

  • Alina
"Koa miambena sady mivavaha lalan-dava mba ho afa-miala amin'izany loza rehetra efa ho avy izany sy ho marim-pijoro eo anatrehan'ny Zanak'olona." Lioka 21:36 DIEM