- Maraina
"Matahora
izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho
aminareo: Matahora Azy". Lioka 12:5
- Antoandro
"Fa inona no laza, raha tàhiny kapohina noho ny
fahadisoana ianareo ka mandefitra amin'izany? Fa raha tàhiny manao soa kosa
ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak'Andriamanitra.
Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo
ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany".1 Petera
2:20-21
- Alina
"Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa
mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: Izaho tsy handao anao mihitsy na
hahafoy anao akory." Hebreo 13:5