- Alina
"Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra Jehovah no anarany ary
mifalia eo anatrehany. Rain'ny
kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin'ny fonenany
masina". Salamo 68:4-5
- Antoandro
"Ary
hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny
filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Izay mino sy atao batisa no hovonjena;
fa izay tsy mety mino no hohelohina." Marka 16:15-16
- Alina
"Aoka
tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga
fianarana ho an'ny mino hianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondrantena, amin'ny
fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana." ITimoty 4:12