- Maraina
"Fa
raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany. Ary izay
ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna
maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny
fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy
rehetra".1 Timoty 6:8-10a
- Antoandro
"Fa
mahitsy ny lalan'i Jehovah; ary ny marina no mizotra eny aminy. Fa ny mpanota
kosa dia tafintohina eny aminy." Hosea 14:10b.
- Alina
"Fa
izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony
indrindra aminareo dia ho mpanomponareo." Matio 20:26b-27