- Maraina
"Sambatra ny mahitsy lalana,Izay mandeha araka ny
lalàn'i Jehovah. Sambatra izay
mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra". Salamo
119:1-2
- Antoandro
"Fa
izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny
fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny
fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo". Isaia 30:15
- Alina
"Jehovah
Andriamanitray no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay." Josoa 24:24b