samedi 15 octobre 2011

Aim-panahy ho anao

  • Maraina:
"Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy". Galatiana 6:2

  • Antoandro: 
"Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra". 1 Jaona 1:6-7

  • Alina: 
"Eny, homen'ny Tompo rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo mpanompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony." Deoterônômy 32:36 DIEM