vendredi 14 octobre 2011

Aim-panahy ho anao!

  • Maraina :
"Indro, voalazako aminareo rahateo izany. Ary amin'izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin'ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian'ny Zanak'olona". Matio 24:25-27

  • Antoandro:
"Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy". Ohabolana 30:5

  • Alina:
"Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana". Romana 8:9-10