- Maraina
“Tamin'ny
voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia
Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny
voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray,
sady feno fahasoavana sy fahamarinana". Jaona 1:1, 14
- Antoandro
"Ry kely saina, mandra-pahoviana no
hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana,
Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana? Miverena ianareo hihaino ny fananarako;
Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny
teniko." Ohabolana 1:22-23
- Alina
"Iza no
hiampanga ny olom-boafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy. Iza
no manameloka? Kristy Jesosy no efa maty, eny sady nitsangana tamin'ny maty koa
mitoetra eo an-tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika." Romana
8:33-34