- Maraina :
"Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy
ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo
rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka
hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo
ao amin'i Kristy". Efesiana 4:31-32
- Antoandro :
"Fantatro fa
hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao". Joba 42:2
- Alina :
"Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza,
ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana
aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay
ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mampahery ahy". Filipiana 4:12-13