lundi 31 octobre 2011

Isaia 40:25-26; Isaia 44:8; Ohabolana 18:24


  • Maraina
'’Koa ampitovinareo amin'iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masina. Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin'ny anarany avy noho ny haben'ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza." Isaia 40:25-26

  • Antoandro
"Aza matahotra na mangovitra hianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, hianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany." Isaia 44:8

  • Alina
"Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; Fa misy sakaiza tia , izay mifikitra noho ny rahalahy aza." Ohabolana 18:24

dimanche 30 octobre 2011

Isaia 54:10; 1 Korintiana 10: 12; 2 Korintiana 6:14


  • Maraina
"Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-poko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao." Isaia 54:10

  • Antoandro
"Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo." 1 Korintiana 10: 12

  • Alina
"Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin'ny tsy mpino hianareo; satria, inona moa no ikambanan'ny fahamarinana sy ny faharatsiana? na inona no iraisan'ny mazava sy ny maizina?" 2 Korintiana 6:14

samedi 29 octobre 2011

Isaia 32:17; Matio 5: 14a-15; Asan'ny Apostoly 22:14b

  • Maraina
"Ny asan'ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay". Isaia 32:17

  • Antoandro
"Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Ary koa tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana fa apetrany eo amin'ny fanaovanjiro ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany." Matio 5: 14a-15

  • Alina
"Ny Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitra-pony, sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany." Asa 22:14b

vendredi 28 octobre 2011

Amosa 5:6, 14; 1 Samoela 2:3; Salamo 97:1

  • Maraina
"Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo". Amosa 5:6, 14

  • Antoandro
"Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa." 1 Samoela 2:3

  • Alina
"Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro." Salamo 97:1

jeudi 27 octobre 2011

1 Korintiana 15:19; Efesiana 6:11; 2 Korintiana 8:9


  • Maraina
"Raha amin'izao fiainana izao ihany no anantenantsika an'i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika". 1 Korintiana 15:19

  • Antoandro
"Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly." Efesiana 6:11

  • Alina
"Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony." 2 Korintiana 8:9

mercredi 26 octobre 2011

Aim-panahy ho anao


  • Maraina
"Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo? Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany".1 Korintiana 3:16-17

  • Antoandro
"Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany." Isaia 12:4.

  • Alina
"Fa izaho kosa dia hanandratra an'i Jehovah, Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy." Mika 7:7