- Maraina :
"Isika tia,
satria Izy efa tia antsika taloha. Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra
aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny
rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy
hitany?" . 1 Jaona 4:19-20
- Antoandro :
"Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na
mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha
mitsara ny lalàna ianao dia tsy mpankato ny lalàna, fa mpitsara. Iray ihany no Mpanome lalàna sy
Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza mo hianao, no mitsara ny
namanao?". Jakoba 4: 11-12
- Alina :
"Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan'izay tsy
kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo hanaovan-tsoa". Kolosianina 4 :5
(Version DIEM)