- Maraina :
"Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha
iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra]. Sambatra
izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny
satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.Koa ario
ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny
nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo". Jakoba 1:2. 12. 21
- Antoandro :
"Lazaiko
aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota.....
Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo". Jaona
8: 34, 36
- Alina :
"Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra
madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampirarahana, be famindrampo
sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy miatsaravelatsihy". Jakoba 3 :17
(Version DIEM)