mardi 13 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!

  • Maraina :
"Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona. Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany". Jakoba 4:10, 13-15

  • Antoandro :
"Fa lehibe Jehovah ka miendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny andriamanitra rehetra. Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona". 1Tantara 16: 25-26a

  • Alina :
"Manainga anareo aho, ry havana, hitandrin-tena amin'ireo mahatonga fisarahana sy mitaona amin'ny ratsy ka manohitra ny fampianarana noraisinareo; halaviro ireny". Romanina 16 :17 (Version Diem)