lundi 12 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra". 2Timoty 4:2

  • Antoandro :
"Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra". 1 Jaona 4:1-2

  • Alina :
"Fa ianareo kosa, tiava ny fahavalonareo, manasoava azy ary mampisambora tsy manantena valiny, dia ho lehibe ny valisoa miandry anareo; ary ho zanaky ny Avo indrindra, dia ilay mora fo amin'ny tsy mahay mankasitraka ny ratsy fanahy". Lioka 6 :35 (Version DIEM)