Aim-panahy ho anao!
"Izaho
no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa
be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na
inona. Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy
ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may." Jaona
15:5-6
"Fa raha miverina amin'i Jehovah hianareo, dia hahazo
famindrampo....; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy
mba hiamboho anareo Izy, raha miverina Aminy hianareo. "2 Tantara 30:9
"Satria
fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana. Ary
aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra
ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona." Jakoba 1:3-4