lundi 5 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!

Maraina:
  • Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. Jaona 6:54

Antoandro:

  • Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo; ka midira ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. 2 Tantara 30:8

Alina:

  • Satria matoky aho fa tsy hisy hahasaraka antsika amin'ny fitiavana asehon'Andriamanitra antsika; eny,na ny fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana na ireo hery eny ana habakabaka, na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy. RÔMANINA 8.38 DIEM