- Maraina :
"Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina
mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako,
ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny
manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo". Isaia 57:15
- Antoandro :
"Fa izao no lazain'ny Tompo dia Jehovah, ny Iray masin'ny
Israely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny
fanginana sy nyfahatokiana no hisian'ny herinareo". Isaia 30: 15
- Alina :
"Izay rehetra mankahala ny namany iray finoana dia mpamono
olona; ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiaina-maharitra mandrakizay
mitoetra ao anatiny". 1JÔHANY 3:15 (Version DIEM)