- Maraina :
"Fa mahatoky
ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy". 2
Tesaloniana 3:3
- Antoandro :
"Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary
fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. Ary mitandrema
tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka
mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro." Hebreo 12: 14-15
- Alina :
"Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny
lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahendrena dia ho tahaka ny
kitana mandrakizay doria". Daniela 12 :3