- Maraina :
“Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho. Ny fanatitra ho an'Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona”. SALAMO 51:12, 17
- Antoandro:
“Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra ny ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana”. FILIPIANA 2:12-14
- Alina:
“Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao. Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra”. OHABOLANA 4:20-22