samedi 30 juin 2012

Aim-panahy isan'ndro


  • Maraina
Samy eo ambany fahefan'ny fahotana avokoa na Jiosy na hafa firenena, Tsy misy olo-marina, na dia iray akory aza; tsy misy mitady an'Andriamanitra. Be siasia avokoa izy rehetra ary samy tsy misy antony; tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza. ROMANINA 3:9-12 (DIEM)

  • Antoandro
Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny FanahyEFESIANA 6:17

  • Alina
Fa fahatezerana tsy misy indrafo kosa no nanenjika ny tsy mpivavaka, hatramin'ny farany; satria izay mbola hataon'izy ireo dia efa fantatr'Andriamanitra mialohaFAHENDRENA 19:1 (KATOLIKA)

vendredi 29 juin 2012

Aim-panahy isan'andro

  • Maraina
Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy ary aza mialona ireo mpanao helokaSALAMO 37:1 (DIEM)

  • Antoandro
Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahayASAN'NY APOSTOLY 13:46

  • Alina
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy ao anaty afo. MATIO 7:19 (KATÔLIKA)

jeudi 28 juin 2012

Aim-panahy isan'andro


  • Maraina
Raha amin'izay no avy HANETRY TENA NY VAHOAKAKO izay iantsoana ny anarako, ka HIVAVAKA SY HITADY AHY ARY HIALA AMIN'NY TOE-DRATSY, dia HIHAINO AVY ANY AN-DANITRA AHO ka HAMELA NY FAHOTANY ary HAHASITRANA NY TANINY. 2 TANTARA 7:14 (DIEM)

  • Antoandro
Farany, ry rahalahy, mifalia ao amin'ny Tompo. Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany. FILIPIANA 3:1

  • Alina
Ary aza miombona ota amin'olona, fa tahirizo madio ny tenanao. 1 TIMOTE 5:22B (KATÔLIKA)

mercredi 27 juin 2012

Aim-panahy isan'andro

  • Maraina
Loza! firenena mpanota ianao; vahoaka mivesatra heloka ianareo,solofon'ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin'i Israely, fa niamboho Azy ianareoISAIA 1:4 (DIEM)

  • Antoandro
Dinihinareo ny Soratra Masina, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara AhyJAONA 5:39

  • Alina
Koa aoka àry hanahaka an'Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareoEFEZIANINA 5:1 (KATÔLIKA)

mardi 26 juin 2012

Aim-panahy isan'andro


      Maraina
Sambatra ny firenena izay hahazo fanambinana toy izany! Sambatra ny firenena izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra! SALAMO 144:15 (DIEM)

      Antoandro
Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. JAONA 6:63

      Alina
Tsarovy ny Mpahary anao, amin'ny androm-pahatanoranao. KÔHELETY 12:1A (KATÔLIKA)


lundi 25 juin 2012

Aim-panahy isan'andro


Maraina
Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsakaSALAMO 51:9 (DIEM)

Antoandro
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny foHEBREO 4:12

Alina
Aoka ho mpamindrafo tahaka ny Rainareo mpamindrafo ianareoLIOKA 3:36 (KATÔLIKA)