vendredi 6 janvier 2012

Jaona 14:21; Jaona 15:14-15; Salamo 73:28

  • Maraina
"Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy."  Jaona 14:21

  • Antoandro
"Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo."  Jaona 15:14-15

  • Alina
"Fa izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, Mba hilaza ny asanao rehetra aho." Salamo 73:28