- Maraina
"Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano
feno hena misy fifandirana." Ohabolana 17:1
- Antoandro
“Dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy
amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana
ho amin'ny andro fitsarana,indrindra fa izay mandeha araka ny fitarihan'ny nofo
hila zava-mahaloto ka manamavo ny manana fahalehibiazana. Ireo efa olona sahisahy, mitompo teny fantatra
sady tsy matahotra hiteny ratsy ny manana voninahitra.” 2 Petera 2: 9-10
- Alina
"Koa
hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan'ny mpimasy ary hataoko mirediredy
ny mpisikidy; hataoko mianotra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny
fahalàlany." Isaià 44:25 DIEM