lundi 14 novembre 2011

Matio 6:19-21; Isaia 54:17; Genesisy 12:2b

  • Maraina
"Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao". Matio 6:19-21

  • Antoandro
"Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina. Ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah." Isaia 54:17

  • Alina
"Hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an'ny hafa ianao." Genesisy 12:2b