dimanche 13 novembre 2011

Matio 6:1-4; Fitomaniana 5: 21; Salamo 33:18


  • Maraina
"Tandremo mba tsy hanao ny asan'ny fahamarinanareo eo imason'ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin'ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo. Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany. Fa ianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tananao ankavia izay ataon'ny tananao ankavanana, mba hatao ao amin'ny mangingina ny fiantranao; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina, no hamaly anao." Matio 6:1-4

  • Antoandro
"Jehovah o, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; havaozy ho toy ny fahiny ny andronay." Fitomaniana 5: 21

  • Alina
"Tsinjovin'ny Tompo kosa ireo mpanaja Azy, dia ireo olona miantehitra amin'ny fitiavany." Salamo 33:18