- Maraina
"Mpampianatra
ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalàna? Dia hoy Jesosy taminy:
Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra
ary ny sainao rehetra (Deo. 6. 5). Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny
faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao
(Lev. 19. 18)." Matio 22:36-39
- Antoandro
"Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo
lalandava ny fideràko Anao. Ny
vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro
ny isany. Ho entiko ny asa lehibe nataon'i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao
aho, dia ny Anao ihany". Salamo 71:14-16
- Alina
"Koa
aza manaonao foana, fa fantaro aloha izay sitra-pon'ny Tompo." Efeziana
5:17