- Maraina
"Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary
ambinina amin'izay ampandehanako azy". Isaia 55:11
- Antoandro
"Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao
tontolo izao hanameloka (hitsara) izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao
tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa
voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanaka-lahy Tokan'Andriamanitra
izy". Jaona 3:17-18
- Alina
"Ary
ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo ady amin'ny namanareo. Nahoana no
tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza hianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra
hambakaina aza hianareo?" I Korintiana 6:7