- Maraina
"Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo
mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka
miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana
izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao".1 Petera
5:8-9
- Antoandro
"Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny
tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra
hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;ary raha misy
manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia
hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina,
dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity." Apokalypsy 22: 18-19
- Alina
"Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny ny marina
amin'ny namany avy hianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana
ao am-bavahadinareo." Zakaria 8:16