- Maraina :
"Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo; Fa fantatro fa be ny
helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly
ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady". Amosa 5:4, 12
- Antoandro :
"Mitandrema,
fandrao hisy hamitaka anareo.Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho
no Kristy, ka maro no ho voafitany". Matio 24:4-5
- Alina:
"Fa
fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny
tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony". Romana 6:6