- Maraina :
"Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy
izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny
Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra,
miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana
mandrakizay." Joda 1:20-2
- Antoandro :
"Ary Andriamanitra ninia
tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona
rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka,satria Izy efa nanendry andro iray,
izay hitsarany izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny
Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona
rehetra izany Izy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty." Asan’ny Apostoly 17 : 30-31
- Alina :
"Nefa Izy dia voalefona noho ny
fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana
nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no
nahasitranana antsika." Isaia 53:5