vendredi 30 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka". Lioka 13:27

  • Antoandro :
"Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin'ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin'ny ràny isika". Romana 5:8-9

  • Alina : 
"Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry". EFESIANA 5:15

jeudi 29 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!

  • Maraina :
"Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany, fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa". 1 Petera 4:12-13

  • Antoandro :
"Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana, mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika". Eksodosy 34:6-7

  • Alina :
"Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa". ITimoty 4:8

mercredi 28 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany. Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny". 1 Jaona 4:12-13

  • Andtoandro : 
"Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho". Lioka 8:17

  • Alina : 
"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana". HEBREO 12:28

mardi 27 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo". Isaia 43:1-2

  • Antoandro :
"Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony. Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona." Fitomaniana 3: 31- 33

  • Alina:
"Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo hianareo, ary aza mianahana. Fa ny jentlisa amin'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany". Lioka 12:29-30

lundi 26 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina
"Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Matahora an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao". Deotoronomia 6:6, 13.

  • Antoandro :
"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." Filipiana 4:6

  • Alina :
"Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay eo ivelany, hararaoty ny andro azo hanaovan-tsoa". KOLOSIANA 4:5

dimanche 25 septembre 2011

Aim-panahy ho anao!


  • Maraina :
"Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian'ny foko izany. Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin'ny farany". Salamo 119:111-112

  • Antoandro:
"Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa." Filipiana 2: 3-4

  • Alina:
"Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina". JAKOBA 5:16 DIEM