Maraina
"Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka
ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay
ataony; fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo
famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay
izy; izany no nolazainy, satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto
Izy". Marka 3:28-30
Antoandro
"Fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo,
ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo." 2 Tantara
30:9b
Alina
"Miezaha ho tonga lafatra, mifampahereza, miraisa
saina, mihavàna, dia homba anareo ilay Andriamanitra loharanon'ny fitiavana sy
ny fiadanana." 2 Kôrintianina 13:11 DIEM