- Maraina
"Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no
hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any
an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra
lazainy, dia ho azony izany. Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona
tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray
ianareo, dia ho azonareo izany". Marka 11:23-24
- Antoandro
"Tsy
manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa
mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny
fitiavana." 1 Jaona 4:18
- Alina
"Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: mahadiso hevitra
anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra". Matio
22:29