- Maraina :
"Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary
tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy
miahanahana na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay
mampandroso ny fihavanana". Jakoba 3:17-18
- Antoandro :
"Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny
fitsipikao. Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin'ny
teni-vavolombelonao aho". Salamo 119:156-157
- Alina :
"Fa miharia harena ho anareo any an-danitra... Fa izay itoeran'ny
harenao, dia ho any koa ny fonao". Matio
6:20-21